https://www.facebook.com/watch/?v=1126963501345627 https://fb.watch/qcwVFcupKA/ 12 janvier 2023 SEHATRY NY TONTOLO IAINANA - KIVY NY MPIARA-MIOMBON'ANTOKA Kivy amin’ny fomba fiasan’ny mpitondra fanjakana eo amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ny mpiara-miombon’antoka. Ohatra amin’izany ny ONG Graine de vie izay nisehatra tamin’ny fiarovana ny tontolo iainana teto amintsika nandritra ny 14 taona izao ary manana toeram-pambolen-kazo miisa 322 manerana ny Nosy. Vokatry ny tsy fahaiza-mitantana sy ny tsy fisian’ny fahavononana avy amin’ireo tomponandraikitra isan’ambaratongany, hampihena ireo tanin-janakazo eto Madagasikara izy ireo ary hifindra amina firenena hafa liana sy vonona marina hiaro ny tontolo iainana. Anatin’ity horonantsary ity ny fanehon-kevitra manontolon’i DEBOUCHE Frédéric, Filoha - ONG Graine de Vie Madagascar momba izay.